Politique

Paul Rabary “Vahaolana izao dieny izao no tadiavin’ny vahoaka”


  • Zoma 03 Febroary 2023

Anaty fahasahiranana izao ny vahoaka malagasy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, ka tsy olana aminy na iza na iza mitondra eo.

Ny fahasahiranany no olany, hoy izy. Izay olona afaka mamaha izay fahasahiranam-bahoaka izay no tadiaviny. Tsy resaka hoe halako bika tsy tiako tarehy io fa hoe iza no afaka mamaha ny olan’ny fiainany. Tsy takatry ny sainy akory hoe ahoana no hahatafavoahany amin’ny fahantrana? Lavitra be ho azy izany. Ny fiainany, ny zanany mianatra, ny sakafony, ny asany no olany isan’andro sy hieritreretany ny tontolo manodidina azy. Rehefa tonga ny propagandy na hisafidy ny olona, ary isika izao efa “précampagne” na fiomanana mialohan’ny fifidianana, dia mbola ambanimbanin’izay aza no tadiavin’ny vahoaka. Vahaolana izao dieny izao no tadiavin’ny vahoaka. Hitako izany tamin’izaho nilatsaka ho filoham-pirenena. Ilay vahaolana izao dieny izao dia hoe izahay mahavita mivarotra nofinofy. Izahay mahavita mizarazara sy manolotolotra. Aza miheritreritra ianareo hoe sahirana ny vahoaka androany dia hiandry fifidianana dia hitsara ny mpitondra. Raha tonga saina ilay mpitondra hoe sahirana ny vahoaka dia arahaba soa, arahaba tsara raha mamaha an’izay izy, fa tsy mbola nisy vahoaka nitsara mpitondra tamin’ny alalan’ny fifidianana izany teto fa saika izay nahazo vato betsaka teto Antananarivo foana no nisarika ny vahoaka hitsara ny mpitondra teo amin’ny 13 may ary raha mbola izao foana no zava-misy dia tsy ho tapitra mihitsy izay fomba fanao na “pratique” izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT