Paul Rabary

«Tsy vitan’ny androany ny raharaha politika»


  • Zoma 31 Mey 2024

Ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey teo, hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary

dia ahitana fa tapa-kevitra ny antoko politika rehetra ary resy lahatra fa ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana ihany no hany lalana hahafahana mandray fitondrana. Tamin’ny fotoan’andron’ny fifidianana filohan’ny repoblika dia nieritreritra ny sasany fa anatina fifanarahana politika ivelan’ny fifidianana no handraisana fahefana, hoy izy. Tsy tsapan’ireo mpilatsaka ho fidiana filohan’ny repoblika ny lanjany marina ara-politika dia tsy maintsy niverina tao anatin’ilay fifidianana solombavambahoaka izy nitsapany ny lanjan’izay.
MIOMANA NY AMIN’NY 2028 NY MPANOHITRA
Nizara roa ny mpanohitra. Nisy ny hoe Kolekitifa dia nisy ny hoe Firaisankina. «Primaire» na dingana voalohany ho an’ny mpanohitra izany teo iny fifidianana solombavambahoaka iny ary fanamafisan’orina ny fandresen’ny filoha Rajoelina tamin’ny alalan’ny fametrahana ny IRMAR. Ny mpanohitra izany teo no nitsapa hoe iza aminay no andrian’ny fon’ny vahoaka. Azo lazaina hoe nandresy tamin’ny «primaire» an’ny mpanohitra izany hatreto ny Firaisankina. Efa noresahintsika tamin’ny fotoana taloha samihafa anefa fa kihon-dalana politika be iray iny fifidianana filoham-pirenena 2023 iny. Io izy io. Efa tsy mahatoky intsony ny ato amin’ny fanoherana fa kandida natoraly na mpitarika natoraly ny filoha Ravalomanana. Izay no nahatonga ny Kolektifa nijoro. Raha ny tokony ho izy anefa dia ny RMDM ihany no nitohy taty amin’ny fifidianana depiote. Mazava be izany izao fa mankany amin’ny lalana ho any amin’ny 2028 ny mpanohitra miaraka amina kandida maro samihafa. Manaiky izany izao ny rehetra fa tsy maintsy miditra anaty rafitra demokratika isika dia ny antenimieram-pirenena hitondra ny feon’ny vahoaka.
FANENDRENA PRAIMINISITRA
Adihevitra androany izany izao ny hoe misy vondrona politika miisa 3 miezaka manatona ny vahoaka. Tsoahiko ny tsy miankina satria tsy vondrona politika. Tokana ireo. Mety ho mpanohitra. Mety ho tsy mpanohina. Mety hijanona amin’ny maha tsy miankina azy. Mazava ny andininy faha 54 amin’ny lalàmpanorenana fa ny vondrona politika miforona alohan’ny fifidianana no afaka manendry praiminisitra. Malaladalaka kokoa izany izao ny IRMAR amin’ny fanendrena praiminisitra. Ny adihevitra politika androany izany dia miompana amin’ny fifandajan-kery politika androany satria ho avy indray ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny faran’ny taona. Tsy vitan’ny androany ny raharaha politika, hoy hatrany ny tenany, fa misy hetsiketsika na «dynamique» be dia be mandrafitra azy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT