Politique

Paul Rabary “Tsy olom-baovao raha mbola mpandraharaha”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Tsy mihoatra ny 5 ny isan’ny olona hilatsaka ho filoham-pirenena hilatsaka eo ka hiheritreritra ny ho lany na firy na firy no isany,

hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Ny toeran’ny filohan’ny repoblika anefa, hoy izy, iray ihany. 2 ihany ny kandida tena matanjaka dia ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Rajoelina. Raha hisy ny fiodinana faharoa, izay tsy inoako hoe hisy, dia ireo no hanao azy. Amiko tsy maintsy hisy ny fifidianana satria tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Tsy azo itarina ny fe-potoam-piasany. Toy izay koa ny an’ny depiote. Tsy vahaolana ho an’ny firenena izany tetezamita izany. Niodina nanodidina an’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny adihevitra politika nanomboka tamin’ny taona 2009 ary tsy ho afaka amin’ireo mihitsy. Tsy afaka ny hisy fisandratana kandida hafa raha tsy miala ny iray amin’ireo. Haingon-tsehatra ny ambiny. Tena mila hoe vaovao raha olom-baovao. Izy mirahalahy izany izao amin’ilay hoe “self made man” na mpandraharaha dia tokony ho olona manam-pahaizana na “intellectuel” izany ilay olm-baovao fa tsy hoe mbola mpandraharaha na “self made man” indray no entinao eo. Ny olom-baovao izany izao dia olona tsy manana orinasa fa mety manana foto-kevitra mety hampitambatra ny malagasy sahala amin-dry “Monja Jaona” na “Andriamanjato Richard”. Tsy misy toy izany intsony anefa eto Madagasikara ka sarotra be ny ahita olom-baovao. Diso hevitra raha mbola olona manam-bola hafa indray no atao hoe vaovao satria tsy misy manam-bola mihoatra azy roalahy ireo. Tsy ny 2023 no mila iomanana fa ny 2028. Tsy eo intsony ny 1 amin’izy roalahy. Anjaran’ny fanjakana no mitady vola hanaovana fifidianana. Tsy resaka hoe anjaran’ny fitondrana fa anjaran’ny fanjakana malagasy. Na hangata-bola izy na hindram-bola na hanajanona fandaniana hafa. Ampy hanaovana fifidianana ny volam-panjakana fa mila mandefitra amina zavatra be dia be, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT