Politique

Paul Rabary “Mirefarefa amin’ny tany loatra ny fanaovana politika eto”


  • Talata 25 Oktobra 2022

Manahirana ny fanaovana politika eto Madagasikara satria be loatra ny fanatika, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.

Misy koa ny mahay serasera dia izay tiany ho henon’ny olona ihany no avoitrany, hoy izy. Mirefarefa amin’ny tany loatra ny fanaovana politika eto ka tsy hifaninana ao anatin’izany aho na dia nirotsaka filohan’ny repoblika aza. Nanantena aho mba ho diso 100% ny zavatra noteneniko satria raha izay no zava-nisy dia efa ela no tsy toy izao intsony ny fiainantsika. Tsy ho olona mitady seza mihitsy no hiteny ireny zavatra teneniko ireny. Sarotsarotra ho an’olona mitady seza no hiteny hoe tokony ho foanana ny vatsim-pianarana na “bourse” ho an’ny oniversitem-panjakana, ohatra. Tsy famakafakana natao hamalifaly ny atsy na ny aroa ny famakafakako fa hampahafantatra ny zavatra misy marina. Iriako ho diso daholo aza ny zavatra teneniko. Bokan-trosa i Madagasikara. Lavapiringa aza eto, hoy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, ilana famatsiam-bola. 70%n’ny vola miasa eto famatsiam-bola. Izany toe-javatra izany ve no mbola antony tsy hiandaniantsika amin’iza na iza amin’io ady atsy Okrainina io? Ny an’ny tandrefana dia na miaraka aminy na tsia. Tsy handefa miaramila hakantsika ireo nosy manodidina ny Rosianina satria ny olany aza tsy hitany ny hanaovany azy. Izany no isany ilazako hoe tsaratsara kokoa ho antsika ny miaraka amin’ny tandrefana. Tsy vita iray andro ny politika sy diplaomasia fa miankina amin’ny tombontsoa na “intérêt” an’ny tsirairay io. Tsy maintsy misy ny sorona na “fusible” anaty fitantanana raharaham-pirenena ka rehefa tsy minisitra io dia na praiminisitra na filoham-pirenena nefa raha ireo roa farany ireo no mitranga dia miongana ianao no dikany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT