Paul Rabary

«Mipaka any amin’ny aty fanahin’ny olona ny filàna fanorenana»


  • Talata 21 Oktobra 2025

11 taona nampianarana teny anivon’ny

oniversiten’Antananarivo ny tenako, hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary. Nampianatra politika tanora, hoy izy. Rehefa mampianatra, ary mbola mampianatra hatramin’izao, dia manomana, manofana, mamolavola tanora hanana «conscience politique» na fahatongavan-tsaina ara-politika. Afaka miteny aho anio hoe afa-po satria ny ratsy indrindra dia ny hoe niteny tany an’efitra ny tena nefa tsy noraisin’ny tanora. Afa-po aho satria manana fahatongavan-tsaina politika enjana be ny tanora. Nitovitovy tamin’ny tanoran’ny 1972 ny tanora nitolona teo. Masaka ara-potokevitra ny tanora malagasy no dikan’izay. Amin’izay bitika sy kely indrindra natao teny amin’ny oniversite dia afaka mirehareha isika fa nitondra an’izany. Ny antoko natsangako hatramin’ny nilatsahako ho filoham-pirenena ny taona 2018 dia nametraka ny fanorenana na «refondation». 1% no vato azoko tamin’izany. Ny dikan’izay dia tsy nisy nandray, naheno, nihevitra ny tena fanorenana. Androany ny repoblika mitsangana dia repoblika ho an’ny fanorenana an’i Madagasikara. Nandresy ara-potokevitra ihany koa izany no dikan’izany ny antoko Ny Fireneko satria mipaka any amin’ny aty fanahin’ny olona ny filàna fanorenana. Im-piry niteny aho fa ny tafika tsy maintsy miverina amin’ny vahoaka fa ny tafika tsy natao hamoretana vahoaka. Matoa mbola afaka mamoritra vahoaka ny tafika dia tsy vahoaka izany no nijoro. Rehefa nijoro ny vahoaka dia nanaraka ny tafika. Izay no maha tafi-bahoaka. Ny safidy politika dia tsy misy hoe marina sy diso. Ny antoko matoa misy dia miheritreritra haka fitondràna. Fifanohanana ara-politika na «alliance politique» no dikan’izany. Na inona fihevitry ny olona dia averiko indray fa 1% no azoko. Tsy afaka hiheritreritra hitondra firenena amin’ny 1% aho. Efa nitsara ny olona ny taona 2018. Ny 2023 izahay naka fifanohanana ara-politika. Faly izahay ankehitriny fa niodina ny rivotra politika. Tonga namana ve moa vao ho mavomavo? Tonga namana amin’ny resaka fanorenana izahay. Toy izany koa amin’ny foto-pisainana fahafahana. Tsy resaka seza ny anay anaty antoko. Be dia be izao no mihazakazaka hiditra anaty governemanta. Nanohana ny fitondràna teo aloha efa nirodana izahay ny taona 2023. Tsy afaka hanohana fitondràna efa nirodana isika fa fitondràna mijoro no mila tohanana. Nandritr’izay fotoana nanohanana ny teo aloha izay izahay dia tsy nitady seza, tsy nandray seza na dia lehibena sampana aza. «Force de proposition» na hery maneho hevitra ny anay fa tsy «force de contestation» na hery mitady toerana. Mikasika izao fitondràna izao dia tsy mpanohariana izahay, tsy mpanohitra fa hitondra sosokevitra hampandrosoana ny tanindrazana iombonana. Tsy anaty governemanta izany. Rariny sy hintsiny aminay raha ny olona nitolona no mitondra. Izany no atao hoe fifandimbiasam-pahefàna demokratika na «alternance démocratique», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT