Paul Rabary

“Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza!”


  • Talata 06 Febroary 2024

ny fiainan’ny Malagasy hatreto. Ny mpitondra manamafy ny sezany,

Ny fifanarahana amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana dia midika fa tsy manana fahafahana na “moyen” ny fanjakana hanajariana na hanaovana “réhabilitation” ilay toerana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, naneho ny heviny mikasika ny fifanarahana nosoniaviny momba ny fitantanana ny Plaza etsy Ampefiloha fony izy minisitra. Tsy midika izany, hoy izy, fa lasan’ilay sehatra tsy miankina ilay toerana. Voasoratra ao anaty fifanarahana na “convention” fa azon’ny fanjakana alaina amin’ny fotoana ilany azy ny toerana. Ohatran’ny hoe manofa trano ianao dia misy fepetra apetraky ny tompon-trano dia mba mila arahana kosa. Izaho miteny fa na tamin’ny andronay aza dia be dia be tamin’ny fifanarahana no tsy voahaja saingy izy moa mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany dia tsy afaka natao na inona na inona. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no namaritra ny fepetra fa izaho moa nanasonia fotsiny. Nanahirana anay izany tamin’ny fotoan’andro satria mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ilay olona. Nahazo 10 taona latsaka kely moa izany izy, raha fehezina, nahafahana nampiasa ilay toerana. Voalokony tsara tarehy sy namboariny ny toerana saingy an’ny fanjakana. Ny tao anatiny no azy ary nalainy daholo ny fitaovana tao. Mila voa tsy hary ny fanjakana raha tsy hampiasa ny Plaza! Adalan’ny fanjakana indray raha hoe efa voaloko tsara sy vita tsara tarehy ilay izy nefa tsy ho ampiasainy. Mino aho fa hain’ny fanjakana ny mampiasa an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT