Politique

Paul Rabary “Mety kokoa amintsika ny fiarahana amin’ny Tandrefana”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Nilaza ny fampahalalam-baovao mpomba ny fitondrana fa tsy nifanarahana tamin’ny Filoha ny fanamelohana ny Rosianina. “Raha tsy nanala ny minisitra dia midika tsy misy zavatra voafehiny intsony.

Azo lazaina ho fonombohan-javatra ihany, fa ny votoatin-kevitra dia ny hoe: ahoana ny toeran’I Madagasikara manoloana ny Rosianina? Mihevitra isika hoe: mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao, kanefa tsy mivaky loha antsika ireo satria isika firenena gisitra indrindra. Isika no mila an'izao tontolo izao”, hoy ny Minisitra teo aloha sady mpahay fiarahamonina Paul Rabary. Raha ny tokony ho izy, misy lanjany politika be ny fanesorana ny Minisitra. Raha ohatra ka tsy nierana ny fanapahan-kevitra iraisam-pirenena. Tsy nierana fa mitovy amin’ny hevitry ny filoha sa tsy nierana fa ary tsy mitovy amin’ny heviny? Tsotra ny famakian’izao tontolo izao an’iny fanesorana minisitra iny hoe: miaraka amin’ny Rosia isika. Rehefa miresaka Tandrefana dia ny Amerikanina sy ny Eoropeanina, fahavalon’izy ireo I Rosia. Tsy iadian-kevitra hoe: miaraka amin’I Rosia sa tsia fa ny azy dia hoe: miaraka aminay ianareo sa tsia? Tsy mitovy amin’ny sinoa izay matanjaka be isika. Ny tetibolantsika aza ny 70% iankinana amin’ny PTF na ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, vao miresaka PTF dia Banky Iraisam-pirenena, Tandrefana, Eoropeanina. Ny manahirana, tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato, ka ankilany mila ny volan’ny mpamatsy vola, andaniny tsy tapa-kevitra. Ny mety ho tsaratsara indrindra na tsy nierana aza, dia iny fanapahan-kevitra iny. Mety nisolantsolana tany ilay minisitra, saingy ho antsika mpindram-bola, ho an’ny tombotsoan’ny firenena, dia iny aza no tsaratsara, hoy I Paul Rabary. Iny minisitra iny no nisolo tena ny firenena tany amin’ny fatin’ny mpanjakavy. I Rayaume-Uni izay tsy namela an’I Vladimir Putine hiankohoka teo amin’ny fatin’ny mpanjaka, izay midika zavatra be dia be izany. Firy ny firenena Tandrefana manana masoivoho eto, dia firy ny hafa? Amiko, ataoko hoe: tsy nierana iny, fa ataoko hoe: Iny fanapahan-kevitra iny no metimety amin’I Madagasikara, raha jerena ny fiankinan-dohantsika amin’ny Tandrefana, hoy hatrany I Paul Rabary. Ny fijerin’ny Tandrefana izao, dia mitsipaka amin’ny fanapahan-kevitry ny Minisittra ny Fanjakana. Amin’izao anefa, na ny tsy fitanilana aza tsy eken’ny Tandrefana intsony. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe isika izao, tsy te hiady amin’ny Rosia kanefa mitady vola amin’ny Tandrefana, hoy ity Minisitra teo aloha sady mpandinika fiarahamonina ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT