Politique

Paul Rabary Hitantana ny antoko « Ny Fireneko » indray


  • Talata 28 Martsa 2023

Voninahitra ho ahy ny mampilaza aminareo fa nekeko am-panetren-tena lehibe ny safidin’ny mpiara-mitolona rehetra ao amin’ny antoko politika “Ny fireneko”

hitantanako io antoko io, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sady mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Miandry vinam-piarahamonina vaovao sy teti-panorona maty paika i Madagasikara amin'izao akatoky ny faha 63 taona niverenan'ny fahaleovantena izao, hoy izy. Politikam-pampandrosoana amin'ny lafiny toekarena, sosialy, fambolena, fizahantany, fahasalamana, fampianarana, ho an’ny tanora, mpanao asan-tanana, vehivavy, mpiasam-panjakana, mpandraharaha, mpiasa tena, mpiasa amin’ny orinasa sy sehatra tsy miankina no hahafahana manome hasina sy lanja ny ady hevitra politika eto Madagasikara. Iarahana mijery ny fototr’olana ary iarahana volavolaina ny vahaolona. Koa manao antso avo amin’ireo mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka hifandrimbona sy hifanoro hevitra ary hiaradia satria ny taotrano tsy efan'irery ary ny raharaha politika tsy azo avela ho an’ny mpanao politika irery ihany. Isika rehetra dia afaka mitondra ny anjara biriky amin'ny fanarenana ny firenena ary samy tomponandraikitra amin'ny hoavin'ny taranaka faramandimby. Misokatra ny varavaran'ny antoko politika Ny fireneko amin'ny fijery rehetra, amin'ny olona rehetra, amin'ny sehatr’asa rehetra satria mendrika ny tsaratsara kokoa i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT