Politique

Paul Rabary «Hafampana ny toe-draharaha»


  • Zoma 16 Jona 2023

Lojika raha miha mafana ny toe-draharaha politika ankehitriny satria manatona ny fotoam-pifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Ny Fireneko.

Eo ny fiomankomanan’ny antoko politika samihafa hiatrika fifidianana fa eo koa ny fiomanana hiatrika fitantanana raha sendra misy fifanarahana politika tampoka, hoy ny filohan’izy ireo, Paul Rabary. Ny fanjakana sy ny CENI no mamaritra ny fifidianana ka tsy afaka hiteny isika androany fa tsy hisy ny fifidianana. Raha ny lojika sy ny lalàmpanorenana dia tokony hisy ny fifidianana. Tsy dia maha taitra ny rivotra politika satria misy antoko tsy afaka hiditra anaty fitondram-panjakana raha tsy amin’ny alalana fifanarahana politika. Samy mametraka ny teti-panorona rehetra ahafahana miatrika ny fe-potoam-pitondrana manaraka hatrany amin’ny 2028. Io faran’ny taona 2023 io izany no mamaritra an’izay ka arakaraky ny hanakaikezantsika an’io dia hafampana ny toe-draharaha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT