Politique

Paul Rabary «Fifanarahana mankany amin’ny fitoniana no andrasana»


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.

Tsy manohitra ny fisian’ny fifanarahana ny antoko Ny Fireneko, hoy ny filohany, Paul Rabary, raha izay no lalana mankany amin’ny fitoniana sy tsy hitondra any amin’ny tetezamita, mba tsy hilazana hoe tetezamitatra. Fifanarahana mba hahafahana miatrika fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no andrasana, hoy izy. Tsy azo afohezina ary tsy azo itarina tsinona fe-potoam-piasana politika. Ny dosie mivoaka dia toy ny tolo-kevitra na «proposition» rehetra ihany. Azo raisina nefa tsy voatery ho raisina koa. Mila dinihina ireny satria ny tanjona no hahafahana mamaritra ny tokony atao. Ny tanjona dia efa voalaza teo ary asa ifandrimbonan’ny rehetra ny eo anelanelan’izay. Ny ankoatran’izay dia toy ny zava-miseho rehetra anatina tokantrano saingy tomponandraikitra ara-panjakana moa no iharan’ilay izy dia lasa ohatran’ny resaka politika ilay izy. Mariky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto Madagasikara koa faharoa. Eritrereto hoe tomponandraikitra ambony no very entana dia ahoana izany ny vahoaka? Ahoana izany ny olona tsy manana mpiaro, ny tsy manana fiarovan’ny fanjakana satria tadidio fa izany tomponandraiki-panjakana ambony izany dia adidin’ny fanjakana no miaro azy? Ny vahoaka moa izany very fanahy mbola velona satria tsy misy mpiaro. Mandry an-driran’antsy sy kamboty ny vahoaka. Azo lazaina fa niakatra ambony izany ny marimpanan’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Mino sy manantena isika fa mba hisy fiantraikany aty amin’ny fiainam-bahoaka ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny tsy fandriampahalemana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT