Paul Rabary

«Federalisma, raha aravina, no mety amintsika»


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

no iainantsika amin’izao, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary nanitsy ny fifandisoana teo amin’ny fandraisana ny teniny tamin’ny lahatsoratra an-gazety nivoaka omaly. Io, hoy izy, no rafitra misy amin’izao sy mila ovaina. Takiana, noho izany, ny fametrahana ny antsoina hoe faritra mizaka tena na «région autonome». Toy izany koa ny «province autonome» na faritany mizaka tena. Ny federalisma, raha aravina, no mety amintsika. Nisy rafitra faha mpanjaka ary satria izay no zava-nisy dia iny rafitra iny izany no tsara raha avadika rafitra repoblikanina. Izay no hanomezana fahaleovantena na fizakan-tena ho an’ireo faritra sy faritany ary hametrahana ny rafitra federaly, hoy hatrany ity mpahaifiarahamonina politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT