Paul Rabary

“Dingana miainga tsy hijanona intsony io fifidianana io”


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Akaiky ny fifidianana dia tsy mifampitsitsy ny kandida samy kandida, mpanohitra sy mpitondra,

hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Izay moa izany, hoy izy, no rivotra ianantsika eto. Miverimberina ny tantara. Nisy ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Ny fanontaniana hoe inona no ho vokatry ny 2023? Eo isika mahita azy. Tokony sorohana ny krizy! Fantatry ny mpanao politika izany fa ny mpanao politika rehetra koa miezaka mamoaka izay ao am-pony satria fantatra fa ho an’ny mpanao politika, ny fifidianana filohan’ny repoblika no fifidianana lehibe indrindra ahafahana mandray fahefana eto Madagasikara. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no manapaka ny amin’ny mikasika ny filoham-pirenena ankehitriny satria ny fanapahan-kevitra voalohany avoakan’ny HCC dia ny mikasika ny fahafaha-milatsaka ho fidiana na tsia. Milaza tsy hanaiky moa ny mpanohitra. Midika ve izany fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana na hiemotra? Tsy mahagaga daholo ny rivotra na “ambiance” iainana amin’izao fotoana izao satria manatona ny fotoam-pifidianana ary efa noresahako taminareo fa dingana miainga tsy hijanona intsony io fifidianana io. Anjaran’ny mpanao politika no maka toerana na “position” hitany fa mety aminy, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka sady mpanao politika ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT