Politique

Paul Judicael “Voafitaky ny fitondrana FAT ny vahoaka”


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Nanao fanentanana tamin’ireo vahoaka iandraiketany ao amin’ny Kaominina Ankariera ny Ben’ny tanŕna ao an-toerana, Paul Judicael, tamin’iny herinandro lasa teo iny.

 Tamin’izany no nambarany fa voafitaky ny fitondrana FAT ny Malagasy. Nanantena fiovana araka ny nodradradradrain’ireo mpitondra ankehitriny isika eto Ankariera, hoy izy. Ny mifanohitra amin’izany anefa no hita. Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny firongatry ny asan-dahalo. Saika isan’andro no ahitana omby very miharo vono olona, hany ka voatery any an-tsaha ny mponina no mipetraka rehefa hariva ny andro. Tsy resahina ny fisian’ny hala-botry, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fahafahan’ireo kilonga mianatra vokatry ny krizy, tsy misy mpitsabo any ambanivolo ...

Aoka tsy hofitahin’ny mpanao politika isika, hoy ity Ben’ny tanàna ity, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nohamafisiny fa tsy hisy mihitsy izany filaminana izany raha tsy ny filoha Marc Ravalomanana no tafaverina eto an-tanindrazana. Toy izany koa ny fampiharana ny tondrozotra niarahana nanao sonia farany teo hivoahana amin’ny krizy. Nampanantena ny Ben’ny tanàna, Paul Judicael, fa hiezaka hampahafantatra hatrany ny akon’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eo anivon’ny faritra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka ao amin’ity Kaominina Ankariera ity.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT