Patrick Raharimanana

Nolaviny avokoa ireo fiampangana azy


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Araka ny efa notaterina teto, dia niakatra fitsarana omaly Atoa Patrick Raharimanana sy ny mpitandro

ny filaminana iray, niara-voasaringotra taminy.Raha hiverenana hatrany, dia vesatra roa no nitoriana sy nanenjehn’ny Fanjakana azy ireo dia ny : fakana angom-baovao informatika izay henjehin’ny andininy faha 13 ao amin’ny lalana 2014-006 momba ny heloka an’habaka, niampy ny vesatra faharoa, dia famoahana ho fanta-bahoaka ny resaka na antontan-taratasy, tamina fivoriana tsy azo natrehan’ny besinimaro izay mety manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana anatiny voalazan’ny andininy faha 17 sy faha 19 ao amin’ny lalana 2016-029 momba ny serasera sy ny haino vaky jery. Henjana ny fiandrasana ny fitsarana noho ireo raharaha maro satria efa tena alina vao nandeha ny raharaha momba azy. Nolavin’Atoa Patrick Raharimanana ny avokoa ireo fiampangana roa ireo, ary nanamafy izany ny mpiaro. Nangataka fahafahana madiodio noho izany izy ireo. Amin’ny 20 aogositra ho avy izao no hivoaka ny didy momba ity raharaha ity ka andrasana hoe : hanao ahoana ? Somary manitikitika sy ahafahana manokatra adihevitra ny hoe : nahoana ny eto aminitsika no lasa olana be ny fivoahan’ny fandaharam-potoanan’ny Filoha raha toa ka toa mandeha ho azy izany any ivelany aza vao miandoha ny taona dia fantatra avokoa ? Mby aiza ny fahalalahana hahazo vaovao ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT