Patrick Raharimanana

Nohelohina 5 taona sy lamandy 2 tapitrisa Ar


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nomelohin’ny fitsarana 5 taona an-tranomaizina, lamandy 2 000 000ar, izay sazy mihantona avokoa i Patrick Raharimanana,

araka ny didim-pitsarana omaly. Raha tokony ho nivoaka ny 20 aogositra 2024 lasa teo ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha anenjehana azy mahakasika ny famoahana teo amin'ny tambazotra serasera ny fitsidiham-paritra nataon'ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fotoanan'ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Solombavambahoaka, dia nahemotra omaly talata 17 septambra 2024 izany. Sazy mitovy no azon’ity tompon’ny orinasan-gazety an’habaka Gasy Patriote ity sy ny Commissaire de Police Manandriana Tata Barison. Fiampangana voalohany : Fisitonana am-panidinana, tsy nahazoana alalana, amin'ny alalan'ny fitaovana informatika ireo antontan-kevitra na « données informatiques ». Faharoa ny famoahana ady hevitra mikaton-trano, na antonta-taratasy tsy nahazoana alalana, mety manohitohina ny filaminam-bahoaka na ny fandriam-pahalemana. Hanao fampiakarana fandravana didy moa i Patrick Raharimanana, ary tsy mampisy akony velively amin'ny filatsahany ho Kandida Ben'ny Tanàna ao Mahajanga I izany, raha ny fanazavana. Tsy misy didim-pitsarana mihatra, raha tsy efa tapitra tanteraka ireo fampakaran'ady rehetra omen'ny lalàna. Na izany aza, re omaly fa mbola tsy nahazo ny antontan-taratasy « 211 bis » ihany koa i Patrick Raharimanana na feno aza ny fepetra momba ny fandoavan-ketra. Mbola gejain'ny fitsarana moa ny findainy, « puce » ary ny solosaina na « ordinateur », izay tsy novalian'ny fitsarana omaly ny fangatahana azy ireo. Hanao ny fangatahana manokana ireo fitaovam-piasana ireo moa ny mpisolovava an'i Patrick Raharimanana, raha ny vaovao azo omaly hatrany. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana no miseho ny fanamelohana izay tsy i Patrick Raharimanana fa nisy ihany koa ny didy fanagadrana sazy mihatra sy tsy fahafahana manao asam-panjakana ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana izay sady kandida. Samy mbola manao fampiakarana moa izy ireo ka asa izay hiafarany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT