Politique

Patrick Raharimanana Nanazava momba ny pasipaoro maitso


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Ny mpiasam-panjakana, na ireo voatendry na ireo fonksionera rehetra, rehefa hivoaka ny firenena malagasy ka mamita iraka ara-panjakana, dia mampiasa ny “Passeport de service”

na pasipaoro fiasana, miloko maitso, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Patrick Raharimanana. Amin'ny maha asa na “service” azy, dia iraka ofisialy, misolotena ny firenena izy izany aloha vao ny sampan-draharaha misy azy, hoy izy. Mila fanomezan-dalana manokana na “Ordre de mission” voasonian'ny fiadidiana ny repoblika sy ny primatiora. Takiana arak'izany ny fanasana ofisialy avy amin'ny firenena ivahinianana na ireo anton-taratasy manamarina ny antony andehanana any. Takiana ny fananana tapakila fiondranana any. Omena ny mombamomba ilay mpiasam-panjakana. Tsy maintsy mandeha ao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ilay mangataka “passeport de service” hakana ny sariny, ny peta-tondro maha biometrika ny pasipaoro maitso. Toy izao ny dosie ilaina; “Copie de l’Ordre de Mission” na dika mitovin’ny fahazoan-dalana manokana hamita iraka, “invitation nominative” na fanasana amin’ny anarana manokana, “décision ou note de présentation”, izany hoe fanapahana na naoty fampahafantarana, “Copie certifiée de la CIN” na dika-mitovy voamarinan’ny kara-panondro, “décrêt ou arrêté de nomination”, izany hoe didim-panjakana na didim-pitondrana nanendrena, “certificat administratif” na sertifikam-panjakana, “02 photos d’identité” na sary tapaka miisa 2. Ny sekretera jeneralin’ny ministeran'ny raharaha-bahiny no manao sonia ny pasipaoro maitso, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT