Omaly 20 aogositra 2024 no fotoana voafaritra hivoahan’ny didim-pitsarana mikasika an’i Patrick Raharimanana
Talen’ny Famoahan’ny orinasam-baovao Gasy Patriote, efa kandida Filoham-pirenena,… Nihemotra anefa izany,ary tsy nisy ny fanazavana mazava avy amin’ny Fitsarana. « Izay aloha no nolazain’ny fitsarana. Androany no fotoana voafaritra hivoahan’ny didy, saingy nahemotry ny fitsarana amin’ny 17 septambra, dia manaja an’izay isika», hoy kosa ny mpisolovava azy. Tsiahivina fa famoahana ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena no nanenjehana azy. Nosamborina ny 16 mai 2024 teny an-tranony teny Ambohipo. Nandefasana zandary ihany koa tany an-tranon'ny Ray aman-dreniny tany Mahajanga tamin’io. Nohadihadiana teny amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava teny Fiadanana. Nosavaina ny findainy sy ny solosaina fampiasany saingy voalaza fa tsy nahitana zavatra noheverina hanohitohina ny filaminam-bahoaka, na fikasana hanongam-panjakana, na fikasana hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Notazonina tao Fiadanana rehefa vita ny famotorana azy. Nampanantsoina ary natao fanadihadiana ny Commissaire de police iray tany Amoron'i Mania, nanome azy ilay agenda na fandaharam-potoana. Notazonina niaraka i Patrick Raharimanana sy ilay Kaomisera. Nitarina tany amin'ny Brigade criminelle Anosy fihazonana azy ireo. Nofaranana tampoka ny fanadihadiana rehefa niitatra tamin’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Jirama,... Nakarina teny amin'ny Fampanoavana ny raharaha ny 23 mey 2024. Nogiazina ny solosaina sy finday, ary navotsotra saingy napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Vesatra roa no nitoriana sy nanenjehn’ny Fanjakana azy sy ny mpitandro filaminana iray dia: fakana angom-baovao informatika izay voalaza fa henjehin’ny andininy faha 13 ao amin’ny lalana 2014-006 momba ny heloka an’habaka, niampy ny vesatra faharoa, dia famoahana ho fanta-bahoaka ny resaka na antontan-taratasy, tamina fivoriana tsy azo natrehan’ny besinimaro izay mety manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana anatiny voalazan’ny andininy faha 17 sy faha 19 ao amin’ny lalana 2016-029 momba ny serasera sy ny haino vaky jery. Notsaraina ny 16 jolay, ka nolavin’Atoa Patrick Raharimanana ny avokoa ireo fiampangana roa ireo, ary nanamafy izany ny mpiaro. Nangataka fahafahana madiodio noho izany izy ireo. Omaly no nandrasana ny didy, saingy nihemotra indray, ary tsy nisy ny fanazavana mikasika ny antony avy amin’ny Fitsarana. « Androany no voafaritra fa hamoahan’ny fitsarana ny didy saingy nihemotra ho amin’ny 17 septambra indray dia hajaintsika izay », hoy ny mpisolovava azy. Andrasana ny tohiny !
HO KANDIDA BEN’NY TANANA AO MAHAJANGA
Na eo aza ity raharaha ity, fantatra ankehitriny fa ho kandida ben’ny tanàna ao Mahajanga i Patrick Raharimanana. Raha toa ka ny 17 septambra 2024 ny didim-pitsarana momba azy, dia ny 5-10 septambra kosa ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, izany hoe : tsy misy akony ary tsy misy sakana amin’ny firotsahan’ity zanak’i Mahajanga ity ho ben’ny tanàna noho izany ny raharaham-pitsarana. Ny aoriana no asa hoe : halentika ve sa hotataovana sazy miantona sa hafahana madiodio I Patrick Raharimanana fa hatreto dia ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.