Patrick Raharimanana kandida

"Ataontsika tanàna nomerika i Mahajanga"


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Ho ataontsika modely amin'ny fampandrosoana ifotony ny eto Mahajanga I,

hoy i Patrick Raharimanana izay nilaza fa ho kandida amin'ny fifidianana nen'ny tanàna any an-toerana.
TETIKASA MIPAKA ISAM-BATAN'OLONA
Tsy misy fanavakavahana, na ady politika, na ara-piaviana, na ara-pinoana, na ara-pahaizana, fa hanentanana ny fiarahantsika rehetra.Vonona hanolotra ireo fahaizana sy traikefa ananako aho hoy i Patrick Rahatimanana. Ireo fifandraisana anaty na iraisam-pirenena misy eto amiko, ahatafita ireo tetikasa mipaka mivantana amin'ny mponin'i Mahajanga, hanatsara ny fiainana andavanandro, mba aha te honina ny Tanàna, hoy izy. Hampiroborobo ireo Orinasa eto an-toerana hanomezana asa ny tanora, ahatamana ireo mpivahiny miasa, na maka rivotra, na ireo te hifindra monina aty Mahajanga isika hoy hatrany izy.Fampianarana, fahasalamana, fandriampahalemana ho an'ny rehetra, ao anaty Tanàna madio, miravaka voninkazo, tsara lalana, mazava, milamina, na andro na alina, misy sera sy vola no tanjona.Averintsika ny maha Tanànan'ny seranan-tsambo, indostria azy 'i Mahajanga, izay hamorona asa maro ho an'ny tanora sy ireo orinasa vaventy ary Orinasa madinika maro.Ho Tanàna nomerika, Wifi maimaimpoana ireo toerana be olona sy any an-tsekoly rehetra, hoy ny kandida Patrick Raharimanana.
FOKONTANY Ivon'ny fandrosoana ny Fokontany. Ho vita eny avokoa ireo zavatra ilaina andavanandro. Ho tsara karama izy ireo, miaraka amin'ny mpiasa, tanora matihanina avy eo an-toerana.Tsy vitako irery anefa izany, hoy izy fa mila ny fanohananao amin'ny endriny samihafa, arak'izay vitan'ny tsirairay, na vola, na fitaovana, na hevitra, indrindra ny fitondrana am-bavaka, fa ho antsika rehetra no hikirizana amin'izao asa fampandrosoana ifotony izao, ho lasa modely, eto Madagasikara, i Mahajanga.Mandraisa anjara amin'ny fampandrosoana ifotony, hoy izy ka ireto ny serasera :038 94 716 43 (Mvola : venance patrick) sy 032 96 378 39 (Orange money : venance patrick).
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT