Raha te hanova rafitra, na te hanova mpitondra, na te hiala amin'izao zioga ampitondraina ny vahoaka Malagasy izao dia misy safidy 4 :
Midina an-dalambe ny vahoaka, saingy hiteraka krizy sy mety hisy faty olona satria ny fitondrana ankehitriny dia hamoritra tsy hisian'izany hetsika izany, na am-pilaminana aza. Fanonganam-panjakana miaraka amin'ny basy na miaramila, miteraka dy an-trano, ary dia ho sahirana eo amin'ny fifandraisana amin'ireo Firenena vahiny, lasa tetezamita hiadivan-tseza, ho potika ny toekarena,... Tsy handray anjara amin'ny fifidianana saingy dia manome malalaka izao fitondrana izao hilaza fa lany “1er tour”. Handray anjara amin'ny fifidianana, ary hiaraha-mientana amin'ny fanaraha-maso izany, ity no hany lalana tsy hisian'ny ady an-trano sy krizy eto amintsika, raha tena mandray andraikitra isika rehetra, hoy I Patrick Raharimanana avy amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay nanolotra ny kandida Tahina Razafinjoelina. Tolona ho an'ny Malagasy, tohin'ny ady nataon'ireo Raiamandrenintsika izay namoy ny ainy ho faleovantenam-pirenena, hoy izy. Samy mitondra izay ananany, samy manome izay vitany, tsy voatery ho vola, mety taratasy fotsy, mety fotsim-bary ho an'ireo hiandry ny vato, mety tolo-tanana fibatana “estrade”, mety hevitra, mety tsikera hanatsaran-javatra, mety “partage facebook”, mety “commentaire” anentanana ny namanao, mety vavaka ihany koa, asa mangina,… Aza adino, hoy izy, fa 10% n'ny Malagasy mpifidy ihany no nifidy ny mpitondra nifandimby, ka isika 90% ve dia anaiky ho resin'ny ratsy ? Tadidio fa isika nianatra rehetra, isika eto amin'ny facebook, izay maro an'isa no tonga saina amin'ny zava-misy, dia efa mihoatra ny 5 000 000 ny isantsika, misasaka amin'ireo mpifidy 10 000 000. Vato 2 000 000 no ilaintsika dia tafita 1er tour tsy misy fameriny. Olona 500 000 fotsiny izany, mandresy lahatra olona 4 dia tadidio, fa fianarana tsy andoavam-bola no miandry antsika afaka 3 volana, mpampianatra manana ny hasiny sy ho lasa mpiasam-panjakana avokoa ireo mampianatra amin'ny sekolim-panjakana, famokaram-bary 4 avo heny, ka samy ahazo ny tandrify azy avokoa ny rehetra afaka fotoam-pambolena roa taona. Ireo mpianatra sy mpampianatra rehetra any amin'ny tsy miankina dia hisy fijerena manokana. Samy hisitraka jiro mandeha amin'ny herin'ny herinaratra isan-tokatrano. Hanana asa ny tanora. Hisy ny famatsiam-bola amin'ny sarany ambany dia ambany avy amin'ny banky Malagasy hiorina. Madagasikara niomerika no tanjona, hifehezana ny vola, hanana teti-bola sahaza azy ny isaky ny faritra, kaominina, fokontany, hanapa-kevitra amin'ny fampandrosaoana tiany atao ny any ifotony. Hipetraka ny fandriam-pahalemena, na ny halatromby ho voafehy. Voafehy ireo mpiasam-panjakana, ka ho foana ireo “fonctionnaire fantôme” mandany volam-panjakana, azo ampiharina ny fampiakarana ny karama, ny fijerena ny “grille indiciaire”, ireo “indemnité” isan-tsokajiny. Hisy “internet gratuit”avokoa ny sekoly, ny anjerimanontolo, ireo seranam-piaramanidina, ireo seranam-pitaterana, ireo hopitaly. Ho an'ireo tantsaha, mpamboly, mpiompy, mpanjono, dia hiditra amin'ny sehatra matihanina, hisy ireo sekoly fampianarana izany sehetra izany isam-paritra, ampiana ireo mpianatra hisehatra anitatra ny tany vokarina,,… hoy ny ampahan’ny fanehoan-keviny, izay manamafy ny firaisankinan’ny Malagasy tia tanindrazana no hahatrarana ny tanjona, ary izay ilay hoe: miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.