Fanontaniana tsy ahitam-baliny mazava hatreto ny hoe : afaka miaro marina ny safidy miafina ataon’ny mpifidy ve ny bileta tokana ? Na ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana aza hatramin’ny omaly tsy mbola namaly ny fitoriana napetraky ny kandidan’ny “Vitatsika io” Patrick Raharimanana, tamin’ny 23 septambra 2013 momba an’io.
Ny fisian’ilay laharana miseho ery amin’ny sisiny ambony havia, famantarana sy fiarovana ilay bileta tokana mba tsy handairan’ny hosoka no mampisy ahiahy. Ny zava-nisy nandritra ny latsa-bato tamin’ny 25 oktobra 2013 mantsy dia misy olona napetraka manokana hanendaka ilay bileta tokana amin’ny karne misy azy, ary manome azy indray ny mpifidy tonga handatsa-bato. Araka izany dia mahita tsara ny laharana misesin’ireo bileta ilay Sekreteran’ny birao fandatsaham-bato. Midika koa izay fa rehefa tonga ny fanisam-bato dia mety ho fantatra avokoa ny latsa-bato na safidy nataon’ny tsirairay, nefa tokony ho safidy miafina araka ny voalazan’ny lalàna. Dia mbola toy izay koa ve amin’ny fihodinana faharoa. Nanao taratasy fampatsiahivana ny Filohan’ny CES i Patrick Raharimanana ary voapetraka omaly zoma 15 novambra tolakandro teny Ambohidahy. Nivory mihitsy ireo mpikambana CES tamin’io, ka azo antoka fa voatolotry ny mpirakitsoratry ny CES an-tanana io ka ho hita eo ny valiny. Tsy azon’ny CES atao manko ny tsy manisy valiny fitoriana tonga eo aminy. Ny mahazatra aza dia 48 ora raha ela dia efa milaza ny heviny ny CES na azo raisina na tsia ilay fitoriana. Ary matetika dia andron’iny ihany koa dia efa hita eny amin’ny tranokalan’ny CES ny didy mivoaka. Nefa moa lasa indro kelin’ny mpandrafitra izy ity satria na ny sabotsy 9 novambra 2013 aza no nanapa-kevitra momba ny fitoriana iray mitaky ny fanilihana an-daharana (disqualification) ny kandida Hery Rajaonarimampianina ny CES dia nahavariana fa ny alarobia 13 novambra vao hita teny amin’ny tranokalany ilay fanapahana. Misy antony ve sa mitombina ny tsiliantsofina milaza fa natao amboletra ny famoahana iny didy iny fa maro ny mpitsara mpikambana CES no tsy nanao sonia ny didy. Tena azo atokisana ve ny vokatra avoakan’ny CES raha izany ?
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.