PATRICK RAHARIMANANA

Arahi-maso ara-pitsarana, rehefa avy notazonina 8 andro


  • Talata 04 Jona 2024

Tamin'ny raharaha namoahana ny fandaharam-potoanan'ny Filoham-pirenena

hitsidika ireo faritra maromaro teto Madagasikara, dia notazonina nandritra ny 8 andro, natao fanadihadiana i Patrick Raharimanana, Talen'ny famoaham-baovao Gasypatriote.
VOAHAJA NY ZONY
2 andro teny amin'ny sampana heloka bevava an’ny zadarimariam-pirenena Fiadanana, ary 6 andro teny amin'ny sampana heloka bevava an’ny polisim-pirenena Anosy.Tsy nisy fampiasan-kery na herisetra nandritra ny fotoana rehetra nihazonana azy, hoy izy ary feno fanajana tokoa ireo Zandary sy Polisy nanao ny asany, izay isaorana azy ireo.
MIANDRY FITSARANA
Mahatoky ny Fitsarana amin'ny tohin'ny raharaha, ary miandry am-pitoniana ny fotoam-pitsarana aho,hoy i Patrick Raharimanana .Nisaotra ireo rehetra na teto an-toerana na tany ivelany nanampy, nanohana ary indrindra fa nitondra am-bavaka azy i Patrick Raharimanana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT