Patrick Raharimanana

Ampangaina ho manohintohina ny filaminana anatiny


  • Talata 16 Jolay 2024

Amin’ity talata 16 jolay manomboka amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny « salle 2 »,

lapan’ny fitsarana Anosy no mandeha ny fitsarana ny raharaha Patrick Raharimanana. Izy moa dia mpamorona no sady mpitantana ny orinasa Gasy Patriote izay , orinasan-gazety amin’ny « internet », efa kandida filoham-pirenena ihany koa izy. Miisa roa ny vesatra hanenjehana azy dia : voalohany ny fakana angom-baovao informatika izay henjehin’ny andininy faha 13 ao amin’ny lalana 2014-006 momba ny heloka an’habaka. Ny faharoa kosa dia famoahana ho fanta-bahoaka ny resaka na antontan-taratasy, tamina fivoriana tsy azo natrehan’ny besinimaro izay mety manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana anatiny voalazan’ny andininy faha 17 sy faha 19 ao amin’ny lalana 2016-029 momba ny serasera sy ny haino vaky jery. Fantatro ny nataoko, madio ny eritreritro hoy i Patrick Raharimanana araka ny resaka fohy nifanoavana taminy. Zava-dehibe kosa hoy izy ny fifanohanana sy fifanampiana amin’ny toe-draharaha tahaka izao. Tsara ho marihina ihany fa taorian’ny namoahany ny fandaharam-potoana amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny filoham-pirenena no niantsoana an’i Patrick Raharimanana ka nanadihadiana sy nitazoana azy teny amin’ny tobin’ny zandary sy ny polisy misahana ny heloka be vava. Dia izao izy miatrika fitsarana izao.
Nangonina’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT