Politique

Patricia Raharisoamalala «Fananganana saina fotsy no enti-milaza fa mijaly izahay…»


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Patricia Raharisoamalala «Fananganana saina fotsy no enti-milaza fa mijaly izahay…»

Tsy midika ho fanivaivana na tsy fitiavan-tanindrazana ka hanosihosy ny sainam-pirenena malagasy ny fananganana saina fotsy, hoy i Patricia Raharisoamalala, mpitarika fiarahamonim-pirenena saingy isan’ireo manangana saina fotsy anaty tambazotran-tserasera ankehitriny amin’ny maha olompirenena azy. Fotoana fananganan-tsaina izao, hoy izy, dia fomba iray entina hanehoana ny hevitra koa ilay izy hoe misy ny zavatra mangeja anay olompirenena eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fitantanana eto anivon’ny firenena na lafiny sosialy io fa indrindra ny tsy fandriampahalemana izay mavaivay ka tsy ahafahan’ny vahoaka mihary an-kalalahana. Midangana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy mahasehaka izany ny karaman’ny mpiasa. Eo koa ny fikorontanana maro samihafa na ny haratsian’ny lalana, ny ady tany, ny fanjakan’ny kolikoly. Misaraka 2 mazava tsara ny farim-piainan’ny olona eto Madagasikara. Ao ny manankarem-be izay milomano anaty harena miavosa. Misy kosa ny tena mahantra fadiranovana. Tia filaminana tsy miandrandra korontana intsony nefa ny ankabetsahan’ny olona. Io fananganana saina fotsy io izany no enti-milaza fa mijaly izahay olompirenena. Jereo ny fomba fitantanana eto amin’ny firenena! Tamin’ity taona ity aho no tsy nanangan-tsaina fa amin’ny 26 jona aho hanangana ary hivavaka ho an’ny fireneko. Vita izay dia miala ny saina. Ny sosokevitra dia hoe marina fa nisy ny fifidianana nanomezantsika fahefana ireo mpitondra. Izy ireo izany no manana ny hoe ity praograman’asa entina hitsaboana sy handaminana ny olana maro samihafa eto amin’ny firenena. Tsy tokony hanao tsinontsinona ny fanehoan-kevitra ireo tomponandraikitra rehetra sy voakasika eto amintsika. Voizina tsinona amin’izao ny hoe andao hifampiresaka sy hifampihaino ka tokony mba ho jeren’ny mpitondra izany izay azo raisina amin’ireny fitakiana mivaivay sy fanehoan-kevitra ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT