Pastera Radimilahy Joseph

> “Ny ankolafy Ravalomanana no hitondra eo”


  • Talata 05 Novambra 2013

Faminaniana azon’ny Pastera Radimilahy Joseph tamin’ny novambra 2012 no milaza an’io, ary tsiahiviny sy ijoroany vavolombelona.

Miherina ankehitriny ny taona nisehoan’ny faminaniana, ary dia miseho ny famantarana ny fahatanterahany, araka ny fanamafisany.
Manipika mazava ity Filoha mpanorina ny Fiangonana FFPSM (Fiangonana Fifohazam-panahy ara-tSoratra Masina), manana foibe eo Madera Namontana ity fa : “tsy movansa Ravalomanana, fa fanambaran’Andriamanitra io”. Na izany aza anefa, hoy izy, dia hisy hatrany ny fanoherana hataon’ny mpanao politika sasany ka hoferany tsy hihoatra ny roa taona ny fitondrana eo,  kanefa dia hiezaka mafy io filoha io hamita ny fe-potoam-piasany hatramin’ny farany. Hiezaka izy handamina ny tontolo ara-politika, sosialy, toekarena indrindra ny fampihavanam-pirenena. Izay no tokony hivavahantsika Kristianina rehetra amin’Andriamanitra sy hibebaka aminy mba hidiran’Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fahafenoana eto amin’ny firenentsika izay efa tanjony rahateo, ka tsy hahakasika ny Vahoaka loatra ny fandaminana ara-politika. Raha misy te handalina na hahazo fanazavana misimisy kokoa manodidina ity faminaniana ity, moa dia misokatra ho an’ny rehetra ny Pastera Radimilahy Joseph amin’ny laharana 033 02 931 47 ankoatra ny Sabata sy ny voaloham-bolana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT