PASTERA MAILHOL

Mbola baraingo na ho kandida na tsia


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Tsy maika haka fitondrana fa maika hanavotra ny firenena pastera Mailhol Andre Christian Dieu Donne, filoha nasionalin’ny

antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara na ny GFFM, raha ny nambarany. Tsy kilalao ny mitondra firenena hoy izy fa mitaky fahavononana sy fahasahiana ara-politika. Nivoitra izany omaly nandritra ny kongresy notanterahin’ity antoko ity teny amin’ny ISTS Mandriamena izay natrehin’ireo solontena mihoatra ny 1.000 isa manerana ny Nosy. Samy manana ny hetahetam-pony sy ny alahelo manoloana ny fitontongan’ny fiainam-pirenena avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana izay nandray fitenenana. Raha bangoina dia samy nanambara izy ireo fa mila fanavotana ny firenena fa tena latsaka anaty hantsan’ny fahantrana koa mila sy mitaky olona afaka hanafaka sy hanavotra azy amin’izany. Nanambara Pastera Mailhol nandritra izany fa vonona hatrany ny tenany handray ny andraikiny eto amin’ny tany sy ny firenena raha toa ka ilaina na hisy na tsy hisy fifidianana. Na izany aza anefa dia tsy namaly mivantana tamin’ireo mpikambana izy fa hilatsaka hofidiana na tsia. Miankina amin’ny zava-misy izany raha araka ny nambarany. Ny hirariana hoy izy dia hisy ny fifidianana ary fifidianana madio sy mangaraharaha ary marina no sady eken’ny rehetra. Mialohan’ny datin’ny 06 Septambra ho avy izao araka izany vao ho fantatra na ho kandida filoham-pirenena pastera Mailhol na tsia.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny GFFM nanatanteraka kongresy omaly teny Mandriamena Iavoloha !

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT