PASTERA HERITIANA

« Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika »


  • Talata 14 Mey 2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Tato anatin’ny 50 taona mantsy raha kely hoy izy dia saika fitkaka sy lainga hatrany no nafafin’izy ireo ho an’ny vahoaka ka lasa tsy mahatoky intsony ireto farany. Fifonana no tokony hatao noho izany hoy izy amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka izao ary izay zavatra tena ho vita sy azo tanterahina no tenenina sy hampanantenaina ny vahoaka fa tsy hanaovana resabe fotsiny izy ireny mba hahazoana ny vatony. Ny fahamarinana sy ny fahitsiana ihany no mampandroso ny firenena hoy hatrany izy. Nomarihiny manokana moa fa tsy hain’ny mpanao politika eto amintsika ny mifona na dia diso aza izy ireny. Tena zava-dehibe anefa ny fanaovana izany indrindra fa tiana ny hahazo tso-drano amin’Andriamanitra. Ho an’ny Pastera Heritiana manokana moa dia afaka mandray ireo mpanao politika mangata-bavaka aminy izy, tsy hanavahany na iza na iza no sady afaka manome tso-drano ihany koa. Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, misokatra amin’ny rehetra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT