Politique

Pastera Edouard Tsarahame (RMTF) “Tokony hanana ny fahefany manokana ny Ben’ny tanàna”


  • Talata 16 Jolay 2019

Tsy mipetraka amin’ny tokony ho izy ny fahefan’ny Ben’ny tanàna, kanefa tokony hanana ny fahefany manokana izy raha ovana ny lalàmpanorenana.

 

 

 

Tokony hisy ny fanovana lalàna amin’izay tsy mifamaky lova na samy manana ny fahefany ny “entité” tsirairay, hoy ny fanazavan’ny pastora Edouard Tsarahame mpitarika ny vovonana RMTF na Rodoben’ny Malagasy Tia Fandrosoana.

Araka ny fanazavany, misy faritra hafa na kaominina atao fehirano ary tsy omena fanampiana na hanaovana fotodrafitrasa, satria tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ny mpitantana any, na solombavambahoaka, na Ben’ny tanàna, na lehiben’ny faritra io, nefa  iray ihany isika. Saika nanao referandaoma ny filoha teo,  tsy fanitsiana ny lalàna no ilaina, fa fanovana ny lalàna rehetra mba hifanaraka amin’ny foto-pisainana sy ny kolontsaina, mba tena hipetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy  sy  ny fahaleovantenan’ny tsirairay, toy ny Ceni, ny Hcc, satria tsindry foana no nahazo ireto farany, hoy ny fanazavany. Omena  ny fahefany tanteraka ihany koa ny Ben’ny tanàna, ny solombavambahoaka ary ny fokontany mba hahaleotena izy ireo any amin’ny faritra misy azy tsirairay avy, hoy ity mpitandrina ity.

 

Sitraka r.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT