Politique

Pastera Daniel Rajakoba Voazanaka ara-politika isika


  • Zoma 21 Oktobra 2011

Tafaverina eto an-tanindrazana rehefa avy nivahiny naharitra tany am-pitandranomasina ny pastera Daniel Rajakoba. Izy moa dia efa kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2001 sy 2006 ary anisan’ireo nanohitra ny fitondrana Ravalomanana.

 Raha nitranga ny raharaha 2009 dia nanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina ny tenany saingy tsy mba anisan’ireo nahazo toerana tao anatin’ny FAT kosa anefa. Araka ny filazan’ny pastera Daniel Rajakoba ary dia henatra lehibe ho an’ny Malagasy ny fidiran’ny vahiny lalina amin’ny famahana ny krizy. Lasa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra intsony isika, araka ny fahitany azy, fa dia miera lava amin’ny SADC. Ny nahatonga izany, araka ny hevitr’ity pastera ity, dia satria tsy mahay mifanaraka ny Malagasy, samy mieritreritra azy ho mahay sy manana ny marina ka tsy mba afaka ny hihaino ny hafa sy handefitra mihitsy.

Nanamarika i Daniel Rajakoba fa samy tompon’andraikitra amin’ny krizy sy ny fahoriana mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana ny tsirairay avy fa tsy misy afaka miala bala izany. Nambarany fa olana goavana eto Madagasikara ilay fomba ratsy faly hanakiana sy hitsikera ny hafa fotsiny, kanefa tsy mba mandinika ny tsy mety ataon’ny tena. Maro, hoy izy, ireo milaza azy fa hendry sy marina kanefa voafetra ihany izany. Nahitsy ny pastera Daniel Rajakoba nilaza fa efa voazanaka ara-politika isika, tsy ny filohan’ny tetezamita izany no hanendry ny praiminisitra vaovao eo fa izay tian’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no tsy maintsy tanterahana, hoy izy.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT