Politique

Pasitera Tsarahame Edouard “Fa inona izany no tokona hampirehareha antsika manana ilay tafika?”


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Pasitera Tsarahame Edouard.

Mazava tsara sy mifanaraka amin’ny fiainan’ny firenena ankehitriny ilay toriteny, hoy izy. Niresaka momba ny fifidianana izy, ny fampandrosoam-pirenena, tsy fahandriampahalemana eto amin’ny firenena, ny fampihavanam-pirenena, toe-tsaina maha Kristianina. Tsy hitako izay tokony hisiana resabe amin’ireny fa ny nahagaga ahy fotsiny dia hoe naninona no nisy tohina? Ary inona no antony naha tohina tao anatin’ilay toriteny? Tsy misy eto amin’ny tany sy firenena afaka hilaza fa mampilamina ny hala-bato. Faharoa hoe maninona no misy tsy fandriampahalemana eto amintsika nefa isika manana tafika? Nitroatra moa ny minisitry ny fiarovana fa nolazainy ho fanambaniana ny tafika ireny. Tsy izay no tokony handraisana ilay teny fa hoe inona no anjara andraikitry ny tafika eto amin’ny firenena? Vitany ve izay? Tena milamina ve ilay vahoaka? Misy tokoa ve ilay fandriampahalemana? Ny tafika tsinona no tokony hanao izany. tokony hirehareha na “fier”, hoy ny minisitra, isika malagasy manana ny tafika. Marina izany! Fa inona izany no tokona hampirehareha antsika manana ilay tafika? Izy omena grady jeneraly sa izy manao ny asany? Ny tokony ataon’ny tafika tsy ataony, tsy vitany nefa isan’andro izao dia mitombo foana ny grady. Izay ve ilay maha “fier” antsika? Ny gasy mpiray tanindrazana aminao maty voatifitra. Matin’ny mosary. Matin’ny tsy fandriampahalemana dia izay ve no tokony haha “fier” antsika amin’ilay tafika? Aza ambaniana tahaka an’izany re ny gasy e! Marina fa manana basy ianareo. Manana ny hery. Fa aza dia atao an’izany ny malagasy. Ianareo milaza fa hoe mihantsy ny tafika fa izahay koa mahita hoe ianareo mihitsy no mihantsy ilay vahoaka amin’ny fomba fitenenanareo sy fomba fihetsikareo. Tao anatin’ilay toriteny koa niresaka hoe mila fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra isika. Izay no antony iantsoanay ilay fikaonandoham-pirenena hifanarahan’ny rehetra fa tsy ny toritenin’olona ary no andeha hifanarahana. Voalaza ao amin’ny Baiboly ny hoe “Ataoko ahoana no hijery ny loza hanjo ny fireneko?”. Efa hita fa misy loza mitady hanjo ny firenena dia mbola hangiana ihany ve ny mpitondra fivavahana? Asakasakareo mpitondra fivavahana ao mbola hanao “merci président” aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT