Tafiditra tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF ny hoe : « Ny mpitondra fanjakana dia natao hiaro ny ain’ny vahoaka entina koa rehefa solafaka toy izao dia antsoina mba hanam-pahendrena hiala am-pilaminana »,
nanoloana ny ra mandriaka sy ny olona maty vokatry ny tifitra teny Analakely ny 21 aprily teo. Samy manontany tena ny rehetra hoe inona no hitranga raha toa ka tontosa tokoa ny fanalana na fialan’ny filoha ? Izay hifanarahana no atao fa tsy misy aloha ny tena famaritana izany, raha ny fahitan’ny Pasitera Roger Andriamisata, mpitarika ny HMF azy. Ao anatin’ny fihavanana no tokony hanohizana ny tantara, ary tsy tokony hivaona amin’ny lalàmpanorenana, hoy izy. Mila ifanarahan’ny rehetra kosa ny atao ary tsy ela be fa hiheverana ny fifidianana fotsiny satria mijaly ny vahoaka. Raha miala ny filoha, efa misy ny zavatra voafaritry ny lalàmpanorenana. Raha ny hevitro, tokony horavana hatramin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) satria efa tsy hifampitokisana intsony io. Toy izany ihany koa ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM satria tsy misy ilana izany intsony eo, hoy hatrany ny Pasitera Roger Randriamisata. Ny FFKM no rafitra heverina fa azo antenaina hitondra ny tena fampihavanana. Na iza na iza mety hitondra eo dia mila manaraka ny voafaritry ny lalàmpanorenana hatrany. Ny tena mahamaika anefa dia ny hoe mila vitaina mialoha ny faran’ny taona ny fifidianana, eken’ny rehetra sy hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Mila madio sy tsy misy eritreri-dratsy io saingy ny amin’izao, dia hatramin’ny lisitry ny mpifidy aza tsy mazava. 7 izao izahay no ao an-trano, kanefa izahay mivady ihany no voasoratra any, ka na efa naverina aza dia mbola ireo roa ireo ihany no voasoratra, hoy izy. Raha tsy mety miala ny filoha, ka mahita lalana iombonana ny rehetra, dia mety hiverina ihany ny sarisary toy ny tamin’ny 1991 izany hoe ahena ny fahefany, mipetraka ho raiamandreny eo izy, fa ny praiminisitra sy ny governemanta no manana ny fahefana feno hitondra ny raharaha, raha ny hevitr’ity mpitondra fivavahana ity. Governemanta iombonana io, ary tokony hiala ny praiminisitra ankehitriny, raha ny fanehoan-keviny. Mety hivadika ihany koa ny maro an’isa ao amin’ny parlemanta, hoy hatrany izy tamin’ny fakan-kevitra natao taminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.