Pasitera Mailhol

“Hampihavana ny mpanao politika ny Firenena Mikambana”


  • Talata 26 Septambra 2023

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

ary tsy hiala eto raha tsy ny 04 Oktobra ho avy izao raha araka ny vaovao azo. Somary miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny fahatongavan’izy ireo amin’ny ankapobeny izay nanehoan’ireo mpanao politika sasantsasany ny heviny ihany koa. Ho an’ny pastera Mailhol, filohan’ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara manokana dia nambarany fa tena mahaliana ireo tera-tany vahiny i Madagasikara ary tena tiany. Amin’ny maha-Ray aman-dReny azy ireo hoy izy no hahatongavany eto an-tanindrazana. Rehefa tsy mety hampihavanin’ny samy Malagasy mantsy hoy izy ny Malagasy dia ny vahiny mihitsy no ho avy hanatanteraka izany. Nohamafisiny fa izany mihitsy no antony tsy nilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena. Aleo mijanona ho mpampihavana sy mpanoro hevitra hoy izy fa tsy mety raha amin’ny maha-pastera ny tenako no hidirako amina fifandonana politika tahaka izao misy eto amin’ny firenena izao. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa anisan’ny hakan’ny ONU soso-kevitra ihany koa ny antoko GFFM tarihiny sy ireo antoko politika maro samihafa misy eto Madagasikara. Miankina amin’ny firenena mikambana araka izany hoy izy ny famaritana raha azo tanterahina ny fifidianana izay ho filoham-pirenena na tsia. Ny mba hahafahana misoroka ny korontana mety hitranga no antony hoy hatrany pastera Mailhol. Tsy te-hahita zavatra tsy mety eto amin’ny firenentsika ny ONU hoy hatrany izy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol Andre Christian Dieu Donne,, filohan’ny antoko GFFM !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT