Politique

Pasitera Heritiana “Mety tsara ny vehivavy Filoham-pirenena saingy…”


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Mety tsara raha vehivavy no fidiana ho filoham-pirenena hoy pasitera Heritiana Randriarimalala omaly.

Mety ihany koa raha hatao praiministra izy hoy izy na koa ministra sy tompon’andraikitra ambony maro samihafa. Ny mety ho olana kely raha araka ny fanazavany dia ilay herin-tsaina entiny hisedrana ireo olona mitranga eo amin’ny firenena. Malemy fo mantsy ny vehivavy raha oharina amin’ny lehilahy, hoy izy. Manana hery ambonimbony kokoa ihany koa ny lehilahy eo amin’ny sehatra fandraisana fanapahan-kevitra raha oharina amin’ny vehivavy hoy hatrany ny fanazavany. Tsy midika anefa izany, hoy pastera Heritiana, fa tsy manan-danja ny vehivavy. Tena manan-danja ny vehivavy hoy izy satria natao hifameno amin’ny lehilahy izy ireny. Natao ho mpanampy sahaza ny lehilahy ihany koa hoy izy ka misy mihitsy ireo mahavita manohana ny vadiny amin’ny lafiny rehetra mba hampahomby azy raha mpanembantsembana fotsiny ny sasany. Homarihina anio Alarobia 08 Martsa ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Hafatra hampitain’ny pastera ho an’ny vehivavy rehetra araka izany ny tokony hananana sy hifikirana amin’Andriamanitra hatrany. Raha manambady ianao hoy izy ka mikorontana tokantrano dia sahirana. Raha tsy manambady koa ianao fa mandeha irery dia mbola sahirana hatrany noho izany tsy misy afa-tsy ny fahatokisana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra hatrany.
Pati Legende : Mila olona manohana azy ihany koa ny vehivavy hoy pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT