Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Mirary soa ny firenena hahita fahombiazana


  • Zoma 21 Oktobra 2011

Na dia mpitari-tolona amin’ny fanoherana aza ny tenako, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame, dia tsy voatery ho ny lafy ratsim-piainana hatrany tsy akory no voizina, ary satria ny tena mpitondra fivavahana rahateo dia mirary soa ny firenena hahita fahombiazana aho amin’izao firosoana amin’ny famahana ny krizy izao.

 Nanamarika izy fa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ara-dalàna ireo solontena nanatitra ny valopy nisy ny anaran’ny olona avy amin’ity ankolafy ity izay hisafidianana ho praiminisitra. Rehefa nifandresy lahatra tamin’ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo ny Profesora Zafy, hoy izy, dia nanatitra anarana tamin’ny ora farany. Mazava mantsy, hoy izy, fa tsy an-dRajoelina ny fanapahan-kevitra fa an’ny Troika. Nanaporofo izany ny tsy nanaterana ny valopy teny Ambohitsorohitra fa teny amin’ny toerana “neutre” teny amin’ny Paon d’Or Antanetibe Ivato. Efatra izany, hoy ny Pasitera Edouard, ny kandidà praiminisitra an’ny Ankolafy telo dia Rtoa Naika Eliane, Manandafy Rakotonirina, Botozaza Pierrot ary Beriziky Jean-Omar izay ambasadaorontsika tany Bruxelles.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT