Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Ho avy ao an-kianja tsy ho ela ny Pr Zafy


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Mbola nohamafisin’ny pasitera Edouard Tsarahame fa hiasa ho an’ny firenena no nifanarahana tety an-kianja ka nimatimatesana hatramin’izao ny fitakiana ny fiverenan’ireo sesitany any ivelany sy ireo gadra politika isan-tsokajiny.

 “Tsy nitandro hasasarana tamin’izany fa nanao ny ainay tsy ho zavatra izahay”, hoy izy, ary tsy miala amin’ny tanjona nifanarahana. Tsy hoe ny mikabary eto an-kianja ihany akory no asa atao fa misy andraikitra hafa tokony hosahanin’ny rehetra koa. Nisy, hoy izy, iraka manokana nampanaovina anay ny 4 novambra ka tao ny delegasiona nandeha teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy nijery akaiky ireo gadra politika tena marary tokoa eny an-toerana ka nanatitra fanafody ho azy ireo. Nisy ihany koa ny delegasiona nanatona teny amin’ny ministeran’ny atitany saingy tsy voarain’ny tompon’andraikitra tao fa mbola hiverina any amin’ity alatsinainy 7 novambra ity. Hanontany mikasika ilay fandrarana ny fanaovana fihetsiketsehana manerana ny distrika rehetra eto amin’ny Nosy no anton-dia amin’izany. Tsy misakana ny fitohizan’ny tolona eto amin’ny Magro tsy akory izany fa eto hatrany isika, hoy izy, ary tsy miala eto raha tsy mody i Dada. Mifankatia isika ka rariny ianareo raha saro-piaro amin’ny tsy fahatongavanay an-kianja, hoy izy. Dia nambarany ihany koa fa tsy misaraka amin’ny ankolafy 3 izany ny ankolafy Zafy ka ho avy ao amin’ny kianjan’i Magro tsy ho ela ny Pr Zafy hitondra fanazavana ho an’ny rehetra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT