Politique

Pasitera Edouard Tsarahame Hisafotofoto ny rivotra hanosika ny FAT hiala


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Haverina ny asan’ireo very asa, hoy Rajoelina tamin’ny kabariny tany ivelany tany.

 Tanterao ara-bakiteny avy hatrany izany ho hitan’izao tontolo izao ka vohay ireo haino aman-jery rehetra nakatona fa mpiasa marobe no mbola mirenireny amin’izy ireny, hoy ny fimonomonin’ny mpitolon’i Magro namaly izany. Dia mbola nentin’ny Pasitera Edouard Tsarahame an-kianja nivantana indray omaly ny Radio Mada ka nitondrany filazam-baovao an-tsehatra :

Vaovao samihafa et an-toerana : misavorivoro be ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, na zavatra mitovy izao aza dia tsy mitovy ny fomba fandraisana azy ary samy manana ny toerana ivoriany. Vao avy niteny i Andry dia nilaza fa hiverina ny fankatoavana iraisam-pirenena, i Zafy anefa tsy manaiky fa mpangalatra i Andry ary raha tsy mipetraka daholo ny rafitra rehetra tsy misy ilay fankatoavana.

Toetran’andro : hisy rivotra hitsoaka mafy hanosika ny FAT hiala amin’ny fitondrana, hisamboaravoara ny rano ka sao hanara-dia ilay efa lasa.

Vaovao any ivelany : mihomana hody ny Filoha Ravalomanana ary efa mampirin-damba. Tsy mitady miaramila Malagasy fa izy no ho avy ary mifanao fotoana izy roalahy (Ratsiraka) ka hiaraka fiaramanidina ary hitondra avy hatrany ireo mpamatsy vola.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT