Namaly ny antso nataon’ny Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony na Hfi ny ankamaron’ireo mpanao politika tonga tetsy amin’ny Carlton, ny sabotsy lasa teo.
Karazana antoko politika samy hafa sy maro loko no tazana teny an-toerana tamin’io ary nisy ihany koa fikambanana hafa sy ny mpahay lalàna nanatrika ny fivoriana. Nambaran’ny pasitera Edouard Tsarahame, anisan’ny mpikarakara ny hetsika, fa raha 150 ny isan’ny seza napetraka, dia 250 kosa ireo mpanao politika no tonga tao amin’ny Carlton. Raha ny fanazavany, dia niray feo ny mpanohitra, na dia nisy aza ireo filohana antoko vitsivitsy no nitsipika, fa niravona izany rehefa nifampiresaka izy ireo. Ny tanjona, dia ny hanangana rafitra sy foto-kevitra iraisana amin’ny maha mpanohitra azy. Tsy ny fametrahana ny filohan’ny mpanohitra no tiana hotratrarina, hoy izy, fa ny fametrahana ny rafitra, dia hijery izay olona atao ho lehiben’ny fanoherana. Fitiavan-tanindrazana, hoy izy, no nampiray anay mpanohitra teto amin’ity toerana ity. Tsy misy ny demokrasia, raha tsy misy ny mpanohitra ary tsy misy ny mpanohitra raha tsy misy ny demokrasia, hoy hatrany ity pasitera ity.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.