Parlement Francophone des Jeunes

Mianadahy no hisolotena an’i Madagasikara


  • Talata 16 Janoary 2024

Anisan’ireo hanana solontena hiatrika ny “Parlement Francophone des Jeunes”

andiany faha-10 izay hatao any Montréal Canada ny 4 ka hatramin'ny 9 jolay 2024 ho avy izao i Madagasikara. Taorian'ny fanadinana am-bava izay notanterahana ny zoma 12 janoary 2024 lasa teo teny amin’ny “Alliance Française” Antananarivo dia nivoaka tamin'ny fomba ofisialy oimaly alatsinainy 15 janoary 2024 ny anaran’ireo tanora miisa roa (vavy iray, lahy iray). Ramatoakely IMITSINJOLAVITRA LALAINA Amaralda avy any Fianarantsoa sy Andriamatoa SOLOFOHANITRA Jaspierre Toavina John avy eto Antananarivo noho nahazo ny naoty mendrika indrindra tamin’ireo 12, araka ny lisitry ny filaharana. Izy mianadahy ireo izany no hisolo tena an’i Madagasikara any Canada.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT