Mbola tsy misy ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana fahatelo avy amin’ny governemanta na dia efa nandeha aza izany resaka izany, hoy i Mamy Rakotoarivelo tamin’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa tamin’ny zoma tolakandro teo teny Tsimbazaza.
Mahazo mody daholo izany isika, hoy izy, nefa tokony hiaino ny haino aman-jery samihafa ihany amin’izay mety ho fiantsoana tampoka. Namintina ny zava-nodinihan-dry zareo nandritra izay 12 andro faharoa izay kosa ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritanin’i Mahajanga, ny CT Ramahefarisoa Barbin ka nilaza fa tontosa soa amantsara ny fandinihan’ny teny Tsimbazaza ny CENI ary lany tsy nisy fanovana araka ny nanaovan’ny CST azy io volavolan-dalàna io dia avy eo niroso moa tamin’ny fandinihana ny lalàm-pifidianana izay lany azo lazaina hoe tsy nisy fiovana koa tamin’ny tany am-piandohana izahay. Noho ireo antony ireo no nahafahana namarana ny fivoriana satria tapitra koa ny fetrandro, hoy izy. Marina fa ny CENI no voafaritra tao amin’ny fandaharam-potoana saingy nisokatra tamin’ireo lalàna sy rijan-teny hafa nodinihana.
Izay aloha izany no vita tamin’ity fa manoloana ny zavatra mafampana eto amin’ny firenena sy vokatr’ireny fangatana maro isan-karazany ireny amin’ny hoe lalàm-pifidianana sy lalàna amin’ny fitoniana ho hitantsika hoe inona no aroso raha misy fivoriana manaraka. Marihina fa ity filoha lefitra ity nialohan’ny kabary famaranan’ny filohan’ny CT dia namaky ny voalazan’ny fitsipika anatin’ity rafitra mpanao lalàna ity izay namaritan’ny Fitsarana avon’ny lalàmpanorenana mafy dia mafy ny amin’ny “immunité” azon’ny parlemantera. Ka mazava, hoy izy, fa ny teny avoaka sy ny hevitra matetika no hanana “immunité” fa tsy ny fihetsika hafa ka azon’ny lalàna manankery eto amin’ny fanjakana saziana. Ny ahafahana miaro ny parlemantera izany dia eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra sy ny teny avoakany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.