Politique

Parlemantera HVM “Tsy ekena ny tetezamita vaovao”


  • Alakamisy 17 Mey 2018

26 andro taorian`ny hetsiky ny depiote ho an`ny fanovana vao re feo ireo parlemantera HVM. Nifoha tamin`ny torimasony ireo loholona sy solombavambahoaka manohana ny fitondrana ka nanao fanambarana iombonana tetsy amin`ny lapan`ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly.

Ny depiote Malement Liahosoa, voafidy tany Ampanihy no nitondra teny nandritra ny fanambarana. Miantso ny rehetra hitandro toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana sy ny Sata Repoblikanina ny parlemantera mpomba ny fitondram-panjakana. Tsy tokony hoekena intsony ny tetezamita vaovao izay efa nanapotika ny fiainam-bahoaka, hoy ireo loholona sy solombavambahoaka HVM ireo. Mitsipaka ihany koa ny fikasana hampiatoana ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka amin`ny asany amin`izao volana vitsy mialoha ny hahataperan`ny fotoam-piasana izao, ary tsy manaiky ny ambaran’izy ireo fa teti-dratsy hametrahana indray tetezamita vaovao eto amin’ny firenena. Maninona no izao vao re feo ny antoko HVM ? Ny 90%-n’ny mpomba ny fitondrana dia nangina nandritra ny iray volana latsaka, na minisitra io na depiote. Raha toa ka nahatoky tena tokoa ny fitondrana, efa maro ireo voasarika am-pandriana nandritra ity tolona iray ity. Tsy azo ihodivirana anefa amin`ny lafiny iray fa paik`ady ihany koa ny tsy hitenenana, ka any ambadika no miezaka miasa mangina mba hanova ambony latabatra ny zava-drehetra.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT