PARISOA RANDRIAMBOLANARIVO

Tsy mieritreritra ho Filohan'ny Tetezamita aho !


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan'ny

Firenena ankehitriny Randriambolanarivo Parisoa, Ben'ny tananan'ny Kaominina ambanivohitr' Imerintsiatosika, distrikan'Arivonimamo taorian'ny tolona notanterahina teto amin'ny tany sy ny Firenena. Nambarany fa tsy te-ho Filohan'ny Tetezamita ny tenany na hitarika Tetezamita na dia anisan'ireo Ben'ny tanana lohalaharana sady nitari-tolona niditra tetsy amin'ny kianjan'ny 13 May aza nandravana ny Fitondrana jadona. Te-hiatrika fifidianana madio ny tenako hoy izy, indrindra taorian'ny nilazako sy nanambaraklo fa ho kandida Filoham-pirenena aho amin'ny taona 2028. Manantena araka izany ity Ben'ny tananan'Imerintsiatosika ity fa hisy ny fikarakarana fifidianana madio hataon'izao Fitondram-panjakana mijoro izao tsy ho ela. Tsy adinony nandritra izany ny niarahaba ny Filoham-panjakana vaovao ny Kolonely Randrianirina Mickaël. Toraka izany koa ireo tanora marobe nandray anjara tamin'ny tolona. Farany izay tsy kely akory dia miondrika amim-panajana eo anatrehan'ireo namoy havana sy rava fananana nandritra ny tolona koa ihany koa ny tenany.
Pati
Légende : Izy no Parisoa Randriambolanarivo, Ben'ny tananan'ny Kaominina ambanivohitr'Imerintsiatosika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT