Paris - Frantsa

Hanao hetsika goavana ny Diaspora Malagasy


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023

ho avy izao manomboka amin'ny 1 ora atoandro, ora any an-toerana ireo Malagasy monina any Frantsa. Diabe ho an'ny demokrasia no niantsoana azy izy ity, noho ny fahatsapana fa voahosihosy ny demokrasia eto Madagasikara. Fifidianana tsy nampiseho ny tena safidim-bahoaka no nitranga, zavatra maromaro niseho ka miteraka ahiahy ny amin'ny fizotry ny fifidianana.Ary na ny Amerikanina aza moa tamin'ny fanambarana nataony dia namerina indray ny amin'ny tokony hanatanterahana ireo soso-kevitra fanatsarana natolotry ny mpanaramason'ny fifidianana tamin'ny 2018 sy 2019 fa nodian'ny fanjakana Malagasy fanina. Na ny resaka fanakantsakanana amin'ny fanehoan-kevitra sy ny fisamborana, fanagadrana ireo sahy mijoro dia efa fanosihosena izany demokrasia izany ka tsy maintsy mihetsika mampiseho sy manaitra ny rehetra izahay, hoy ny diaspora Malagasy any Frantsa ka izay no anton'ny hetsika. Karazana hafatra manokana ho an'ny fianakaviambe iraisam-pirenena io, izay toa mikipy maso manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Mitohy ny tolona hoy ny diaspora malagasy any Frantsa ary tsy mahazo kivy na miraviravy tanana fa tsy maintsy mandresy ny tanjona.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT