PARAINA AUGUSTE

« Raisiko ho fanompana ahy iny video iny… »


  • Zoma 24 Novambra 2023

Naneho hevitra avy hatrany omaly hariva i Paraina Auguste manoloana ny horonan-tsary nisy

nanaparitaka tamin’ny tambazotra sosialy. Tsotra sady mazava ny resany : sahalan’ny tsy nisy ny fifidianana, izay no hevitry ny vondron’ny kandida hatramin’izay ary tsy miova io. Maro, hoy i Paraina Auguste ny resaka notapahina ka natambatambatra tamin’io « video » io ; raisoko ho sahalan’ny ompa ho ahy, hoy izy ny filazana fa izaho vonono hanaiky ny valim-pifidianana sy hiara-hiasa amin’ny Andry Rajoelina .
Mitohy ny tolona miaraka amin’ny collectif des candidats sy ny vahoaka mitady fahamarinana, hoy i Paraina Auguste.

MITOHY NY TOLONA
Valin-kafatra mazava tsara ho an’ny resabe etsy sy eroa ity fanehoan-kevitr’i Paraina Auguste ity, tsy tokony hanana ahiahy ny vahoaka sy ireo mpiaradia fa tsy mivadika amin’ny efa nifanarahana ny vondron’ny kandida, hoy ny tompon’andraikitra iray miara-miasa akaiky amin’izy ireo ; mila fantatra ihany koa fa tsy maintsy mamoron-javatra mba hampizarazarana ny Collectif des Candidats ny etsy ankilany fa tsy hoe hitazam-potsiny, efa fomba fiady politika izany. Ny endriky ny tolona no mety hoe niova fa tsy ny votoatiny. Tsy maintsy manana paikady hafa manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha, hoy hatrany ny fanazavana voaray fa tsy hoe ny fomba fiady teo aloha foana no tohizana. Hetsika ho an’ny Malagasy, ho an’ny taranaka faramandimby, ho an’ny tanindrazana izao atao izao, tsy mora izany fa izay anefa ilay izy.Mazava ny an’ny Vondron’ny kandida : Tsy maintsy mandresy ny tolona.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT