Lanonana fiarahabana ny Antefasy telo troky tratry ny taom-baovao sady fanolorako ny sata banany ny zoma 6
janoary teo tao amin'ny lonak' i Ramarotsigny Ndrendrafia Egninosy ao amin'i Aban'i Arlette iray amin'ny mpanjaka fito lahy ,izay loharano nipoirana, hoy ny masoivoho malagasy teo aloha, Paraina Auguste Richard. Vory ny Antefasy avy amin'ny telo vavarano, hoy izy. Tamin'io fotoana io ihany koa no nampahafantarana ny rehetra ny fitsanganan'ny antoko politika Tsara Tahafina. Namafisiko ny fanapahan-kevitro hirotsaka ho filoham-pirenena amin'ity taona ity. Araky ny fangatahako dia amin'ny volana ambitabe vao atao ny tena fafirano satria io ny volana tsara sady mba fantatra ny datin'ny fifidianana. Misaotra betsaka anareo mpanjaka, ny ray aman-dreny, ny renim-biavy, ny tanora izay nankahery, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.