Politique

PARAINA AUGUSTE Nanaitra ny hambom-pon'ny polisy


  • Talata 24 Oktobra 2023

Teny Talatamaty no nosafidian’ny kandida Paraina Auguste nitondrana hafatra ho an’ireo mpitandro filaminana omaly

nandritra ny diabe nataon'ny Collectif des candidats . Misy zavatra tsy mety, hoy izy satria tsy mitovy ny fitantanana ny zandary sy ny polisy.Nananao karazana ampamoaka i Paraina Auguste ka nilaza fa terena hividy ilay « gilet tactique » 80 000 ka hatramin’ny 100 000 Ar ny polisy. Mbola nampiany fa tsy niakatra ny karaman’ny polisy tato anatin’ny 5 taona kanefa alefa ianareo hamono vahoaka miaraka amin’ireo olona nahazo tombony ka mba mieritrereta, hoy izy. Tsy mila ady, tsy tia savorovoro ny collectif des candidats sy ireo mpara-dia aminy, tsy maka ho fahavalo ny mpitandro filaminana fa kosa miteny ny zavatra hita fa tsy mety sy tsy rariny. Famerimberin’ny vondron’ny kandida isak’izay toerana lalovan’izy ireo ny hoe avy amin’ny vahoaka ary tsy maintsy hiverina amin’ny vahoaka ihany ny mpitandro filaminana. Maro moa no manamarika hatramin'izay nisian'ity hetsiky ny vondron'ny kandida ity fa tsy dia hita misehoseho firy ny polisy fa ny zandary no tena hita etsy sy eroa, tamin'ireo toerana rehetra nandalovan'ny diabe.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT