Paraina Auguste

«Na ny zanak’i Mohamed VI aza tsy ataony toy io ataon-dRajoelina an-janany io!»


  • Talata 05 Aogositra 2025

Repoblika i Madagasikara fa tsy fitondràna mpanjaka, hoy ny minisitry ny

raharaham-bahiny teo aloha sady filohan’ny antoko politika Tsara tahafina, Paraina Auguste. Na ny zanak’i Mohamed VI aza, hoy izy, tsy ataony toy io ataon’i Andry Rajoelina amin’ny zanany io! Efa tsy izy intsony ity ataon’ny fianakavian’ny filoham-pirenena malagasy ity. Inona marina no tena toeran’ireo zaza ireo no maka sary miaraka amina vahiny manoloana ny singa maha repoblika rehetra toy ireny? Tsy tokony ho taitra mihitsy ny reniny rehefa tsikerain’ny olona na ampangain’ny olona ireo zanany ireo. Aza atao an’io ilay zaza! Maro ny voa tamin’ny fanaovana ny zanany toy io. Ireny ry Khadafi, ry Ali Bongo farany teo, ry Ibrahim Boubakar Keita tao Mali. Tokony harovany ny zanany fa tsy aderadera sy hanaovana werawera ohatran’io! Izao ry zareo ampidirin’ny olona amin’ilay raharaha «Triple 7» koa. Aza ampidirina ny zanako hoy ny filoham-pirenena nefa dia hoy izy avy eo hoe tsy misy atokisako ankoatran’ny zanako. Ny minisitra sy ny olona notendreny izany tsy atokisany koa. Nilaza ny filohan’ny antenimieran-doholona fa tsy mahafantatra ireo olona voakasika amin’ny raharaha «Triple 7» tamin’ny voalohany. Avy eo indray dia hoe vao vetivety no fantatro. Tsy azo andaingàna nefa ny fivoaran’ny tekinolojia vaovao fa dia hita hoe efa tamin’ny taona 2019 kay ireo no nifandray. Fahendrena ho an’ny filohan’ny antenimierandoholona izany, satria tany repoblikanina isika, no mametra-pialàna rehefa nandainga. Rafitra faharoa ny antenimierandoholona nefa dia esorina mangingina ao ny kestora dia milamina. Nesorina ny filohan’ny antenimierandoholona voafidy teo aloha, Razafimahefa. Tokony esorin’ny filoham-pirenena ohatran’ny nanesorana ny minisitry ny fitaterana koa ny filohan’ny antenimierandoholona! Niampanga mafy ny minisitry ny fitaterana i ramatoa Rinah Rakotomanga. Nampahatsiahy na hoe nanao «rappel à l’ordre» ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rafaravavitafika, satria eo ambany fiadidiany io olona miasa ao amin’ny ambasadintsika ao Chine io izay izy vao nijanona satria misy olona ambony miaro azy ao izany. Maro ny zavatra fantatr’i ramatoa Rinah Rakotomanga nefa. Maro no voatonontonona tamin’ity raharaha ity fa ny fahafantarako ireo olona nankany Iran dia ireo nanatrika ny fianianana na «investiture» an’ny filoham-pirenena vao lany tany. Izy roalahy nosamborina ireny ve izany no nanome ny kaody isan-karazany sy nanova ny laharan’ireo fiaramanidina? Mpanamory nahazo alalana taty amintsika tsinona no tokony afaka manao ireny rehetra ireny. Tokony ho lalina mihitsy izany ny fanadihadiana amin’io raharaha io. Tsy maintsy misy kolikoly ambadik’io! Maha menatra io. Handray sady hitarika ny SADC isika nefa voarohirohy amina raharaha tahaka an’itony. Ny mahagaga koa dia tsy miresaka an’io raharaha «Triple 7» io mihitsy ny RFI sy France 24. Ny angatahana fotsiny dia hoe aoka tsy ho i Madagasikara na ny vahoaka malagasy no ho sazian’i Etazonia amin’io na ohatran’izany fa ilay olona nanao azy no tokony hiharan’ilay lamandy hoe 30 tapitrisa Dolara angamba izy izay sy 20 taona an-tranomaizina, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT