Politique

Paraina Auguste “Izy vazaha no miala fa tsy izahay!”


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Izahay kandida miisa 11, indraindray aza 12, dia tsy mbola manaiky ny zava-misy ankehitriny,

hoy ny kandida ho filoham-pirenena notolotry ny antoko politika Tsara tahafina, Paraina Auguste. Eo ny mahakasika ny nahazoan’ny filoham-pirenena teo aloha milatsaka indray nefa eo ny resaka zom-pirenena vahiny na “nationalité”. Eo koa ity resaka fitantanana fifidianana ity amin’ny alalan’ny praiminisitra sy mpikamban’ny governemanta. Tsy misy resaka hoe matahotra an’i Rakoto na Rabe fa tokony ampiharina ny lalàna. Raha kandida ny filohan’ny antenimieran-doholona vao tokony nisy lalana ho any amin’izany fiaraha-mitantan’ny governemanta izany. Rehefa jerena ny andininy faha 46. Tsy misy resaka fandavana andraikitra izany koa ao anaty lalàmpanorenana fa rehefa tsy mahavita dia tokony hiala mihitsy. Ny andininy faha 52 dia resaka “empêchement” na tsy fahafahana mandray ilay andraikitra. Izy anefa io hitantsika fa tsy misy voa na ny sainy na ny vatany fa salama tsara. Tsy mitombina izany ny fanapahan-kevitry ny HCC. Mikasika ny sertifika maha olompirenena moa dia tsy azo hoe maninona no hafenin’ny HCC izany rehetra izany? Aza avadika ny resaka. Izahay handray anjara fa mila miala io kandida iray io. Ny tadiavin’ireo dia ny hialanay 11 mirahalahy dia izy irery no ho eo dia mety maka olona iray ho ataony mpifanandrina aminy. Maninona moa no vazaha iray no hanadala anay rehetra eto? Tsy hisintona firotsahan-kofidiana izahay fa sakananay io zotram-pifidianana tsy mandeha araka ny tokony ho izy io. Tsy hisy fifidianana andeha eto raha tsy misy ny fitoniana. Heveriny fa andeha ho azy angamba io. Efa tsy nisy tonga izahay tao amin’ny HCC. Tsy tonga koa tao amin’ny CENI. Vao manomboka io. Efa krizy io. Izy vazaha no miala fa tsy izahay tompony indray no tadiaviny hiala, hoy hatrany i Paraina Auguste!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT