Paraina Auguste

“Hisy filoha teo aloha higadra ato ho ato”


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Manamafy ny firaisankianan’ny kandida fa isa antony hanaovana amboletra ny fifidianana

ankehitriny ny fikatsahan’I Andry Rajoelina hialokaloka amin’ny maha Filoha mba tsy hanenjehana azy eo anatrehan’ny raharaha maloto goavana maro. Anisan’ny mamatotra azy ilay afera nisamborana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika fony izy mbola filoha, dia Rtoa Romy Voos Randrianarisoa, izay voasambotra tany Londres ny 10 aogositra noho ny afera goavana fitakiana volabe 261000 euros tamin’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany Gemfields, miampy ny fikasana hanana petra-bola 5% amin’ny tetika, ho tambin’ny fanomezana fahazoan-dàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto. Tsaa ny mampahatsiahhy fa nandà tsy ho meloka Rtoa Romy Voos ny 08 septambra satria nanantena fa hahazo fiarovana sy fanohanana avy amin’I Andry Rajoelina izay voalaza fa nampanantena ny handoa ny karaman’ny mpisolovava azy. Matoa I Romy Voos nandà ho tsy meloka dia tiany ho lasa lavitra kokoa ny fanadihadiana, hoy ny mpandinika. Iny nilaza ho meloka iny anefa izy, ary heverina fa hiitatra any amin’ny mety ho olona naniraka azy ny afera satria fifanarahana tamin’ny Fanjakana Malagasy no nokatsahan’ny Gemfields, izay azo adika fa iraka sy solontena ihany I Romy Voos satria raha nandeha ny fifanarahana dia tsy ho amin’ny anarany mihitsy. “Atao an-terisetra na “forcing” ny fifidianana satria ato ho ato dia hisy Filoha teo aloha higadra. Efa niaiky ny Tale kabinetrany voasambotra any Londres fa voairaka izy nandeha tany. Iza no naniraka azy? Izahay Rtoa Romy Voos, aza matahotra ianao, fa teneno ny marina. Matahotra ilay olona naniraka azy ho voasambotra, ka tsy manana “immunité” intsony izy izao, dia atao izay hahavita ny fifidianana mba ho voaaro amin’ny hoe: Filohan’ny Repoblika, ka tsy manaiky izany isika”, hoy ny kandida I Paraina Auguste. Mitohy ihany ny vesatra samihafa mandetika ny filoha teo aloha sy ny ekipany ka asa na mbola ho tafavoaka amin’izao na efa an-dàlana ho rendrika ny sambo?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT