Politique

Paolo Raholinarivo “Tsy vitan’ny mokon-doha sy basy ny raharaham-panjakana”


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Nanamafy ny Filohan’ny SYNAD na ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily Paolo Raholinarivo omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8, fa misy vehivavy manaratsy endrika ny Fanjakana ao anatin’ny governemanta,

hainy sy hidirany daholo ny zava-drehetra. Lasa manao resaky ny moana sy ny marenina satria izy tsy nianatra resaka fitantanan-draharaham-panjakana indray no lasa mahay azy, hoy I Paolo Raholinarivo. Naneho izy fa raha misy lesoka ataon’izy ireo, dia miaiky, ary nomena hafatra ny Prefen’I Bongolava fa ny sendika tsy fialokafoan’ny mpandika lalàna. “Maninona raha natao ny dosie mikasika ny fahadisoan’ilay Prefe, dia alefa any ambony ny raharaha, fa tsy fitsaram-bahoaka hoe: miala ny préfet, ben’ny tanàna no mitatitra olona, ary ny governora sy ilay minisitra no mamporisika”, hoy ny Filohan’ny SYNAD. 30 ny ben’ny tanàna ao Bongolava, ka nambarany fa ho avy ny valin-kafatra avy amin’ny 24, misy fitoriana an’ireo olona 6. Nomarihiny fa misy ny fanovana taratasim-panjakana fahafahana mitondra omby, ka raha “1” ny isan’ny omby dia novaina ho “21”, ary naparitaka amin’ny tambajotran-tserasera. “Contrôle de légalité” no ataon’ny ataon’ny Prefe, raha diso ny prefe dia esory, fa raha tsy diso dia aza vetavetaina, apetraho ny olon-kendry amin’ny toerana tokony ho izy, hoy hatrany izy. Momba ny fitondran-draharaham-panjakana, notsipihiny ny tokony hametrahana olona tena mahafehy ilay asa, fa tsy hoentina kihavanavana sy kinamanamana. Mba inona no ilàna miaramila hatao governora? F’angaha i Bongolava tany miady? Mba nianatra fitantanana ny lafin-tany ve ilay miaramila? Tsy vitan’ny mokon-doha sy basy ny fitantanana Fanjakana, hoy hatrany ny Filohan’ny SYNAD. Nanamarika moa izy fa tsy tokony « governora» no eo fa « Lehiben’ny faritra », tokony hofidiana fa tsy tendrena. Marihina tokoa fa ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa fidiana ny Lehiben’ny faritra. « Na ny famoaham-bolan’ny governorat io aza fandikan-dalàna satria ny volam-panjakana rehefa havoaka ao anaty vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana dia tokony hisy fandaniana ataon’ny filankevi-paritra, tahaka ny an’ny governemanta mandalo parlemantera, ny an’ny kaominina mandalo filankevitra monisipaly,… ». Hanao fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fanamby nataonay, ho sahirana raha tsy diovina, tena fiarovana ny Filoha aza no ataonay, fa raha izahay ihany koa no mba handeha hanararaotra fahefana, hanondrana volamena 700 kg dia ahoana? hoy ity Filohan’ny SYNAD ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT