Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa Atoa Paolo Raholinarivo, mpanolotsaina ny praiminisitra sy Rabetsara Lita, mpiaro ny zon’ny mpanjifa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Nambaran’izy ireo fa efa tena betsaka loatra ireo maharary ny vahoaka, antony manosika azy ireo hitroatra eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ho an-dRaholinarivo Paolo dia nomarihiny manokana sady nanaovany fianianana tamin’ny Baiboly fa niasa tao anatin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanasoavana ny vahoaka ny tenany hatramin’izay. Betsaka ireo zavatra efa nasaina nataoko saingy nanohitra izany hatrany aho mba ho tombontsoam-bahoaka. Mandeha indray ny feo ankehitriny fa nomen’ny fanjakana vola 1 miliara Ar aho mba hanakaramana “gros bras”, hoy izy. Tsy nandray vola ny tenako ary raha nihinana izany dia tsy hisy ho vanona ny taranako. Miantso ireo mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny tenany tsy hiteniteny foana ary mba hilanja Baiboly ihany koa raha mandeha amin’ny fahamarinana tahaka azy. Ho an’ny fitondram-panjakana indray, indrindra ny filoha ankehitriny, dia nambaran’i Paolo fa tsy hiaraka ho rendrika amin’ny sambo entin’ny filoha ny tenany. Betsaka ireo mpanolotsaina hendry nananatra sy niteny anao tamin’ny filoha saingy tsy nohenoinao raha oharina amin’ireo mpanolotsaina adala. Ankehitriny, ireo olona mpangala-tany ao amin’ny tribonaly tokony ho nojerenao hatramin’izay no tonga manatevina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey mba hialanao amin’ny toeranao koa inona no azonay hatao ? Mikasika ny fanovana ny lalàm-pifidianana manokana dia miantso hatrany ny fitondram-panjakana ny tenany hiverina amin’ny fanapahan-kevitra izay efa noraisiny satria tsy Baiboly io ka tsy azo ovana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.