Hatreto aloha dia mbola tsy tafitan’ny Fitondram-panjakana ny ezaka tokony hataony raha resaka fandrindrana ny fihavanana Malagasy sy ny fanafoanana ny ady lahy politika no tanjona ho an-dRaholinarivo Paolo.
Raha toa tokoa mantsy hoy izy ka vitan’ny Fitondram-panjakana izany dia mino ny tenany fa tsy ampy roa taona dia handroso tanteraka i Madagasikara ary ho tonga amin’ny tanjona kendreny ny mpitondra fanjakana . Tsy nisalasala izy nanambara ampahibemaso omaly noho izany fa mendrika loatra ny Ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa. Manao dian-ganagana ity olom-boafidy ity hoy izy ka mitarika ny Reniny handeha any amin’ny madio raha mifanohitra amin’izay kosa ny dian’ny akoho dia ilay mitondra ny zanany mankany amin’ny maloto. Anisan’ny voaasa nandritra ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao 2023 notanterahin’ireo mpanohana ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa teny amin’ny Millenium Ivato i Paolo Raholinarivo omaly. Ankoatra ity tompon’andraikitra farany dia olona manana ny maha-izy azy sy olon-tsotra marobe no tonga teny an-toerana izay samy nanamafy fa Ben’ny tanana tena nanatsara ny tanana i Penjy fa tsy nameno ny paosiny fotsiny ka tena mendrika ny hotohanana.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy Paolo Raholonarivo omaly teny Ivato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.